Tsy manary anao Jehovah (Jaw's Band)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy manary anao Jehovah e
Izy efa ela be tsy niova e
Izy mikarakara, tsarovy e iah
Tsy manary anao Jehovah e.

Tsy manary anao Jehovah e!
Izy efa ela be tsy niova e!
Izy mikarakara, tsarovy e!
Tsy manary anao Jehovah e!

Hitany ianao raha tojo ady sarotra.
Hitany ny lokon'ny fiainanao raha vao maloka
Tsy fohy ny tanany fa mahavonjy e,
Tsy manary anao Jehovah e.

Hitany ianao raha tojo ady sarotra.
Hitany ny lokon'ny fiainanao raha vao maloka
Tsy fohy ny tanany fa mahavonjy e,
Tsy manary anao Jehovah e.

Tsy manary anao Jehovah e
Izy efa ela be tsy niova e
Izy mikarakara, tsarovy e iah
Tsy manary anao Jehovah e.

Mahatoky izy tia anao, tsy mbola nanary anao
Nahafoy ny Zanany ilay tena malalany
Mahatoky izy tia anao, tsy mbola nanary anao
Handova ny fiainana mandrakizay e!


Ho anao izay mandalo ady mafy amin'izao fiainana izao
Ianao izay mety tsy mahita vahaolana intsony amin'ny fiainana
Ho tahaka ny nanokafan'Andriamanitra ny ranomasina anie
No entinao hamakivaky izao fiainana izao
Tsy mbola nanary anao izany Jehovah
Tsy mbola nanary anao izany Jehovavh

(Tsy manary anao Jehovah e)
Tsy manary anao Jehovah e
(Zanahary, eny tsy niova)
Izy efa ela be tsy niova e
(Izy eo foana, izy eo foana)
Izy mikarakara, tsarovy e iah
(tsarovy...)
Tsy manary anao Jehovah e.

Tsy manary anao Jehovah e
(Jehovavh Andriamanitray)
Izy efa ela be tsy niova e
(Tsy niova, tsy niova tsy miova)
Izy mikarakara, tsarovy e iah
Tsy manary anao Jehovah e.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Jaw's Band
Vangy : 1610
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 26/11/2022 14:40
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1683