Efa lera (Jaw's Band)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Haan!! (Antsoantso avy aty amin'ny Jaw's Band... Efa akaiky ny farany leheretsy a!... Mila miverina amin'Andriamanitra isika tsirairay avy... 'Zany an?... 'Zany mihintsy!)

Ny fiainana an-tany dia mandalo ihany
lzay ihafarana mba saintsaino ihany
Tsy ho lany anie raha ny ditra ny tany e
Fa aiza no ihafarana e?... Haan!!

Ny fahotana anie tsy mahavonjy e
Mampidi-kizo mandatsaka andavaka e
Raiso Jesosy ho Tompo mpamonjy e
Dia mahereza mivavaka e... Haan!!

Efa lera anie izao
Efa lera anie izao ô ôh!
Efa miandry anao Andriamanitra Ray.
Efa lera anie izao
Efa lera anie izao ô ôh!
Anomanana fiainana mandrak'izay... He e!

(Izany e!!... Averinay ambara aminao indray izany, F'efa hoavy Jesosy...)

Dieny misy fotoana tsy aleo ve miova e (Haan!)
Kely anie ny andro hanana e! (Humm!)
Lehibe ny valim-pitian'ny mpandova e (Misy
lanitra ho lovaina rahatrizay!)
Dilan'izay izy manasa tanana e!... ... (Hey!)

Ny andro ianana kely kely ihany (Efa ho avy Jesosy e!)
Ny fotoana hihaviny kely sisa e! (Tena kely sisa!... Humm!))
Diniho tsara izay ihafarana... (Ho aiza ianao rahatr'izay?)
Andova helo sa paradisa?... (Efa lera!)

Efa lera anie izao (Ieeh!)
Efa lera anie izao
(Efa miandry anao Andriamanitra Ray!)
Efa lera anie izao
Tena efa lera anie izao
(Ôh ôh!... Anomananao fiainana mandrak'izay.)

(Efa lera!)
Efa lera anie izao (Havako ô!)
Efa lera anie izao (Hôôô!!!... Efa sasa-miandry Andriamanitra Ray!!!... eh eh!)

Efa lera anie izao (Lera anie izao)
Tena efa lera anie izao (Lera hiomananao, handovana ilay fiainana mandrak'izay... Eh eeka rô!...)

????????...

(Efa lera!!!)
Efa lera anie izao (Lera anie izao ô ôh!!)
Efa lera anie izao (Hoow!!!)
Efa sasa-miandry Andriamanitra Ray!! (Efa sasa-miandry anao  ô ôh!!)

Efa lera anie izao (Zarainay dia maimaimpoana...!!!)
Tena efa lera anie izao (Hanomanana fiainana mandrak'izay mandrak'izay!)
Hanomana fiainana mandrak'izay! (Haan!! Hôô!!)

(Efa lera!!!)
Efa lera anie izao (Lera hoa hoe!!)
Efa lera anie izao (Hooo! hoo! oooh!!!)
Efa sasa-miandry Andriamanitra Ray! (Izany leheretsy e! Saintsaino ihany!!)

Efa lera anie izao (Izao dia izao!!)
Tena efa lera anie izao (Ô ô ô hô!)

Handrombanao ilay fiainana mandrak'izay (Hisy valim-pitia lehibe ho an'izay handova an'izany lanitra izany e!)

Hanomanana fiainana mandrak'izay (Haan! handovanao ny fiainana mahafinaritra leheretsy io eh!)

Handovanao ilay fiainana madrak'izay!!!... (Hummh!!... Ôlôlô!!!.....)
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Jaw's Band
Visites : 5537
Préférés : 3 J'aime
Ajouté par : christophe17
Date : 24/06/2020 17:18
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113