Tsy ampy (Hosana Ambohijatovo Fitiavana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy ampy ahy ny mandohalika mivavaka
Fa ny asa fitoriana Anao no tiako handravaka
Ny fiainako ka hijoroako
Ary handaniako ny herimpoko
Hanandratra Anao no masaka ao anatiko ao

Tsy ampy ny ora iray na roa hoenti-midera anao
Miredareda anaty fo ny afom-pitiavanao
Na ny hatrizay sy ny hoaviko aza
Tsy ho ampy ahafahako milaza
Hitanisako ireo harem-pahasoavanao

Ireny asanao rehetra ireny
Dia tsy voalahatro ny teny
Ka hilazako ny amin’ireny
Fa mahatalanjona

Ny avotr’ain’ny zanakao
Milaza ny halehibeazanao
Maneho ihany koa ilay fitiavanao
JEHOVAH ô!

Ambony indrindra ianao
Mpanjaka tokana ianao
Ny fahefanao an-tananao
Miasa amin’izao rehetra izao.

Tsy ampy ahy ny hoe mandre ireo hafatrafatrao
Ity foko feno hetaheta resy lahatra
Dia tiako hitombo ara-panahy
Hadio tokoa ka tena sahy
Hiady ho anao, Mba ho mpandresy tahaka Anao

Rehefa tena tafalatsaka ao anaty ao
Ilay teninao izay harena sy fananana
Dia isan’andro satry foana
Hamaky an’io satria nahoana
Harena tsara zaraina samy hanana

Fa maro ireo karazam-boky
Heverina ahitana toky
Kanefa asa fa voafetra
Ny saina atolony

Ny tokana azonay nekena
Ho lalana sy fandresena
Dia izay voasoratrao, ny baibolinao
JEHOVAH ô!

Ambony indrindra ianao
Mpanjaka tokana ianao
Ny fahefanao an-tananao
Miasa amin’izao rehetra izao.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Hosana Ambohijatovo Fitiavana
Vangy : 4660
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : leva2
Daty : 09/03/2018 08:29
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1239