Ny teninao (Hosana Ambohijatovo Fitiavana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
NY TENINAO E, TENA MAMY RY TOMPO,
SATRY FOANA HANDRE HO HENIKY AZY NY FOKO,
NY TENINAO RANO SY MOFON’AINA
NA HO AN’NNY FO NA NY SAINA,
NY TENINAO SOA SABATRY NY FANAHY,
TSORAKAZO KOA ANANARANAO AHY,
NA NY ASA FANAO, FANOMPOAKO ANAO,
NY TENINAO, NY TENINAO TSY AZO IALANA,
NY TENINAO, NY TENINAO.

HARENA TSY MIOVA FA MANDRAKIZAY,
AZOKO ILAY LOVA VOAOMANA MBA HO AHY,
SOA FA NOMENAO AHY HO FANILOKO,
IOMBONAKO FO AMINAO,
NY TENINAO MANDAMINA NY DIA,
AKAIKINAO MATOKY,
FA N’IZA ETO AN-TANY, ORY NA MANANKATAO,
NY TENINAO IHANY NO HAHAVONJY AZY AO AMINAO,
FIAINANA ETO AN-TANY TSY MAINTSY ITOKIANA ANAO,
NY TENINAO IHANY NO MISY FIAINAM-BAOVAO.

NY TENINAO E, ISAN’ANDRO DIA HENO,
TANJAKY NY FO, FAMPIANARANA FENO,
VAO IO NO RE NA DIA INDRAIM-BAVA MONJA,
DIA TONY HATREO IRONY ONJA,
NY TENINAO E, TSY AZON’IZA OVAINA,
FA MANDRAKIZAY, FIAROVANA SY AINA,
NA FIFALIANA IO NA FAHORIANA IO,
NY TENINAO, NY TENINAO TSY AZO IALANA,
NY TENINAO, NY TENINAO.

HARENA TSY MIOVA FA MANDRAKIZAY,
AZOKO ILAY LOVA VOAOMANA MBA HO AHY,
SOA FA NOMENAO AHY HO FANILOKO,
IOMBONAKO FO AMINAO,
NY TENINAO MANDAMINA NY DIA,
AKAIKINAO MATOKY,
FA N’IZA ETO AN-TANY, ORY NA MANANKATAO,
NY TENINAO IHANY NO HAHAVONJY AZY AO AMINAO,
FIAINANA ETO AN-TANY TSY MAINTSY ITOKIANA ANAO,
NY TENINAO IHANY NO MISY FIAINAM-BAOVAO.
NY TENINAO IHANY NO MISY FIAINAM-BAOVAO,
NY TENINAO IHANY.

A/C : RAJAONARIVELO GERMAIN
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Hosana Ambohijatovo Fitiavana
Visites : 498
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : ilay7nantenainy
Date : 28/06/2023 10:55
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2704