MIVAVAKA HO ANAO (Hosana Ambohijatovo Fitiavana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ho anao izay manana olana saro-bahana
Tsy mahita atao
Mazana alaim-panahy voatari-dalana
Hanompo zavatra
Lay hazo fijaliany no aoka atrehinao
Fa teo no namahana
Izay rehetra toa anao
Izahay mahatsiaro anao
MIVAVAKA HO ANAO

No anao lavo fanahy na nosomparana
Tsy resy ianao na very
Tsy resy ianao hoy aho fa misy ny azo atao
Jeso koa tia anao
Manambitamby anao, mnolo-tanana
Jeso mpiady mahery
Tsy very akory ianao zahay mahatsiaro anao
Hivavaka ho anao

        Ny tanan’ny Tsitoha
        Atsotrany aminao tokoa
        Mahazo manantena ianao
        Fa tsisy zava-tsy hainy atao
        Tafiotra io aza moa
        No izy dia nangina koa
        Tsy irery akory ianao
         MIVAVAKA HO ANAO

Ho anao ilay niova fo
Fa resy lahatra amin’ny filazantsara
He sambatra ianao fa ny ao an-danitra ao
Mifaly aminao
Ny vavaka no ataovy tsy mitsahatra
Ka mifahara tsara
Izay rehetra toa anao
Izahay mahatsiaro anao
MIVAVAKA  HO ANAO

     Dia faly ery ny Ray
     Fa hita ilay very hatrizay
     Voasoratra ny anaranao
      Ny lamba soa no atafy anao
     Ny fitahiany anie
     Hameno anao na aiza aleha
     Tsy irery akory ianao
     MIVAVAKA HO ANAO

Tsy irery akory ianao
     MIVAVAKA HO ANAO

MIVAVAKA HO ANAO
MIVAVAKA HO ANAO....
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Hosana Ambohijatovo Fitiavana
Visites : 26213
Préférés : 3 J'aime
Ajouté par : orthon
Date : 03/08/2008 07:25
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0273