JESÔ (Hosana Ambohijatovo Fitiavana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Io Anarana Io Nahariana Ahy Teto An-tany,
Nihandohana Mbola Hiafarana,
Dia Jesosiko, Jesosy Irery Ihany,
Ilay Tena Tia Tsy Foiko Ialana,
He Voafidiny Aho, Voadio Tamin’ny Rany,
Voasasany Ireo Fahotana,
Eo Akaikiny Aho Matoky Tafatoetra,
Na Sarotra Tsy Ahoako Izany.

Izaho Sy Ianao Tsy Nitondra N’inon’inona Ety Fa Mpivahiny Tokoa E E !
Tsy Maintsy Handao Raha Hifarana Tokoa Izany Diha, Ho Tsaraina, Avokoa,
Ndeha Hiombona, Hiara-hanompo Hifanome Tanana,
Hiray Lalana, Hifampitondra Ireo Izay Mavesatra,
Na Anarana Jeso Tompon’ny Fitsaharana No Lalana.
Jeso No Ametrao Ny Fanahiana,
Jeso Dia Tsy Mba Miavona Am-po,
Jeso Andraisana Fitahiana, Jeso !

Io Anarana Io Nampisy Tarigetra,
Hitory Teny Sy Hizara, Ilay Nahaizako Ny Zavatra Rehetra,
Hamafy Hatraiza Ilay Voa Tsara,
Io Anarana Io Banjiniko Jereko,
Rehefa Mivavaka Aho Mazana,
Io Anarana Io, Eny Io No Fandreseko,
Mamakivaky Fisedrana.

Izaho Sy Ianao Tsy Nitondra N’inon’inona Ety Fa Mpivahiny Tokoa E E !
Tsy Maintsy Handao Raha Hifarana Tokoa Izany Diha, Ho Tsaraina Avokoa,
Ndeha Hiombona, Hiara-hanompo Hifanome Tanana,
Hiray Lalana, Hifampitondra Ireo Izay Mavesatra,
Na Anarana Jeso Tompon’ny Fitsaharana No Lalana.
Jeso No Ametrao Ny Fanahiana, Jeso Dia Tsy Mba Miavona Am-po, Jeso Andraisana Fitahiana, Jeso !
Izaho Sy Ianao Tsy Nitondra N’inon’inona Ety Fa Mpivahiny Tokoa E E !
Tsy Maintsy Handao Raha Hifarana Tokoa Izany Diha, Ho Tsaraina Avokoa,
Eso No Ametrao Ny Fanahiana, Jeso Dia Tsy Mba Miavona Am-po, Jeso Andraisana Fitahiana, Jeso !

A/c : Rajaonarivelo Germain
©ilaynantenainy
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Hosana Ambohijatovo Fitiavana
Visites : 358
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : ilay7nantenainy
Date : 13/04/2023 15:31
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0746