DERAINAY (Hosana Ambohijatovo Fitiavana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Derainay Ny Anaranao E ! Derainay Fa Tsara Ianao,
Ny Maso Tsy Hahajery Fa Masina Mahery,
Ny Famiratry Ny Tavanao, Mendrika Anao Loatra E !
Saotra Sy Dera Ety Ka Hatrany Ankoatra Mitsaoka Anao E !
Entinay Ho Anao Koa Fankalazana F’ianao No Mpanjakan’ny Mpanjaka.

Avo Ianao Misadratra Ambony,
Ny Hiranay Tsy Hitsahatra Intsony,
Fa Raha Mbola Miaina, Iray Tsy Azo Ovaina,
Ny Lalanay Ny Finoanay, Isika Iray Aina E !
Mendrika Ny Ho Faizina Mafy,
Nefa Kosa Ianao Nampitafy,
Hery Famindrampo Nasalotra Anay Avokoa,
Hafaliana No Hirainay.
Dera Dia Ho Anao Irery Ihany,
Ety Ka Hatrany An-danitra Any,
Saotra Mameno Izany Hiranay,
Ho Anao Anio Ka Ho Mandrakizay.

Hiran’ny Fanantenana, Hiran’ny Fitiavana,
Na Faly Na Tomany, Ireo Hira Ireo Hatrany,
Am-ponay Sy Eo Ambavanay,
Ireo No Tsara Indrindra E ! Mampitony Anay,
Raha Sendra Fanahiana Mitraka Izahay,
Tara-pifaliana Koa ! Mameno Ny Fo,
Ijoroanay Fa Miasa Ianao Jesoa.

Avo Ianao Misadratra Ambony,
Ny Hiranay Tsy Hitsahatra Intsony,
Fa Raha Mbola Miaina, Iray Tsy Azo Ovaina,
Ny Lalanay Ny Finoanay, Isika Iray Aina E !
Mendrika Ny Ho Faizina Mafy,
Nefa Kosa Ianao Nampitafy,
Hery Famindrampo Nasalotra Anay Avokoa,
Hafaliana No Hirainay.
Dera Dia Ho Anao Irery Ihany,
Ety Ka Hatrany An-danitra Any,
Saotra Mameno Izany Hiranay,
Ho Anao Anio Ka Ho Mandrakizay.

A/c : Rajaonarivelo Germain
©ilaynantenainy
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Hosana Ambohijatovo Fitiavana
Visites : 328
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : ilay7nantenainy
Date : 13/04/2023 15:25
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.072