Angamba any misy toa ahy (Herimahefasoa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Na ny volanao rehetra,
Na koa ny harenao,
Tsisy mahasarika ahy hitoetra, am-ponao.
Ka raha toy izany ihany
No fanambàranao ny fitia
Dia toa tsy ampy ahy izany
Satria kely.

Fa ny ahy dia ny fonao, ny sainao no tiako ho ahy
Ahy irery.
Fa ny ahy dia ny vatanao, embonao
No iriko ho ahy
Satria ireny mandra-maty.

Moa ve ny fanantenàna
Hain'ny vola ho atao ?
Na koa fitiavana ? Lazao.

Fa ny ahy dia ny fonao, ny sainao no tiako ho ahy
Ahy irery.
Fa ny ahy dia ny vatanao, embonao
No iriko ho ahy
Satria ireny mandra-maty.

Angamba any misy toa ahy
Izay manandratra avo ny fitia.
Ka raha toa tsy lavitra ahy: "Ndao hiara-dia !"

Fa ny ahy dia ny fonao, ny sainao no tiako ho ahy
Ahy irery.
Fa ny ahy dia ny vatanao, embonao
No iriko ho ahy
Satria ireny mandra-maty.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Herimahefasoa
Vangy : 592
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 22/12/2020 22:30
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1866