Vavaka (Herimahefasoa)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Andriamanitra ô, Ray TsitohaNefa koa mahay mamelany helokay
Meteza ianao hamonjy anay diso lalana
Fa lay fitiavana nanazava anay
Efa nisolo fankahalana
Nanjary nasiaka e, tsy toy iny raha tsy Ianao
Ka miantso Anao aho
Tsy haiko ekena ny hadalana toa izao
Tànam-pitiavanao no hany vonjinay
Andriamanitra ô, ..... fanahy
..... ny ratsy Ianao
Fantatrao zahay fa mpanota mahantra
Tsy mahafantatra ny atao
Ka lay fitiavana nanazava anay
Efa nisolo ho fankahalana
Nanjary nasiaka e, tsy ho toy iny raha tsy Ianao
Ka miantso Anao aho
Tsy haiko ekena ny hadalana toa izao
Tànam-pitiavanao no hany vonjinay
Andriamanitra ô, Ray Tsitoha Ianao
Nefa koa mahay mamela ny helokay
Meteza Ianao hamonjy anay diso làlana
Fa lay fitiavana nanazava anay
Efa nisolo fankahalana
Nanjary nasiaka e, tsy toy iny raha tsy Ianao
Ka miantso Anao aho
Tsy haiko ekena ny hadalana toa izao
Tànam-pitiavanao no hany vonjinay
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : HerimahefasoaVangy : 1399
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 04/09/2017 18:18