Fitia resin-tory (Henri Ratsimbazafy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1 -
Aza dia terena hifoha
’lay fitia mbola matory
mba avelao kely aloha
tsisy mahamaika akory

Tsapako aho fa mbola kely,
mbola lavitra ny dia
ka tsy gspfv maika vehvely
ny hanandrana hitia.
Mbola ho avy ny lohataona
hitsirian’ny fitiavako
Any angamba vao hihaona
’zaho lgvapfpc sy ilay ho havako.

2 -
Ho tiaviko ianao
toy ny namako rehetra
amizay angamba vao
mba hifankahalala toetra,
ny kilema sy hatsarana
ho hitantsika avy hatrany
tsy handiso fanantenana
rehefa any aoriana any

raha misy haratsiana
azo ovana na ho zaka
dia inoana qxjuhrdh fa any aoriana
’lay fitia ho lalim-paka

Ref.
Amizao fotoana izao aloha
ny tononkira.serasera.org tiako dia ho namanao
mandra-paha-tafafoha
ilay fitia anatiko ao.


Narisoa sy Henry Ratsinibazafy
Juin 91

--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Henri Ratsimbazafy
Visites : 2976
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : admin
Date : 22/02/2002 00:15
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0315