Androany aloha (Henika)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha hitanao hoe miramirana aho
Tsy hoe tsisy raha manahirana aho
Fa ilay Raiko ao ambony ao e
Izy anie manapaka e
Izao rehetra izao e

Ka n’inon’inona hitranga e
Ny zava-drehetra miara-miasa e
Ny mahasoa no tadiaviny
Inona ary no antony tsy hiderako e

Refrain:
Ka androany aloha dia
Midera, midera, midera
Androany aloha manitatra ny fanjakanao
Ny ampitso hanahy ny azy e
Fa androany aloha dia hidera Anao aho
Jesosy ô


Izaho anie manana Dada e
Mamonjy ahy anaty ady e
Mikarakara tsy mba reraka
Mahavita ahy tanteraka
Ary adidiny aho e

Bridge:
Asandratray Jesosy e
Amin’ny avo indrindra
Ny manda rehetra rava
Mirodana
Ary ny tendrombohitra mietry
Mikisaka rehefa asandratray Jesosy, Jeso
Misandrata Jesosy ô
Misandrata Jesosy ô
Misandrata Jesosy ô
Misandrata Jesosy ô
E, e, e, ooh
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Henika
Visites : 66
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : MahefaAlexandre
Date : 16/03/2025 05:19
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0131