Hafa Mihitsy (Henika)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny ahy ny malalako
Tsy niala tamiko
Fa naharitra
Tsy nanaiky raha tsy lasany aho e
Tsy izaho no miezaka
mifikitra Aminy
Fa ny fitiavany no mihazona ahy
Eo an-tratrany

Mamy mamy mamy
Ny fitiavanao ahy
Raha mijoro aho
Dia noho ny fitiavanao ahy
Mahafindra tendrombohitra
Ny fitiavanao ahy
Jesosy o, hafa kely mihitsy
Ny fitiavanao ahy

Ianao ilay tokana izay
Tsy mba nanameloka ahy
Tsy nandatsa fa
Nanarina ahy tamim-pitiavana
Ianao tsy nijery hoe mendrika aho ve sa tsia
Ianao tsy miova fa rehefa tia dia tia
Izaho no nahita
Izaho hikikiaka
Fa hafa mihitsy e
Sady mamy tena mamy

Mamy mamy mamy
Ny fitiavanao ahy
Raha mijoro aho
Dia noho ny fitiavanao ahy
Mahafindra tendrombohitra
Ny fitiavanao ahy
Jesosy o, hafa kely mihitsy
Ny fitiavanao ahy

Handroso aho hiaraka Aminao
N'aiza n'aiza no halehako
Dia isika sy Ianao no hifampitantana
Tsisy hahasakana
Ka n'inon'inona hatrehako
Dia Ianao no hampandresy ahy
Jesosy o, mamy e mamy eee
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Henika
Vangy : 13
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : VoaharyNekena
Daty : 28/03/2026 08:08
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0749