Izaho mahalala (Henika)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny ahy ny Andriamanitro dia marina foana
Raha misy lazainy na nampanantenainy
Tsy maintsy ho ataony
Na ho ela na ho aingana
Amin'ny fotoanany.

Na dia tsy hitan'ny masoko aza Izy miasa
Na ela niandry aho tsy nisy nitranga
*Izaho mahalala, fa zava-mahagaga no nomaniny ho ahy.(x2)

Ka dia hihira aho eto am-piandrasana Anao Tompo ô!
Hihira aho, hoe: ampy ahy ny fahasoavanao
Noho izay efa nataonao ahy,
Izaho mahalala fa tia ahy Ianao.
....
Ny ahy ny Andriamanitro dia tena tia ahy
Na dia izaho irery aza tety an-tany
Dia mbola nahafoiny ahy
Ny zanany tokana, hamonjy ahy.

Ka tsy omeny ahy maimaim-poana ve izay ilaiko
Izay hiriko, izay hatenaiko
*Izaho mahalala, fa zava-mahagaga no nomaniny ho ahy.(x2)

Ka dia hihira aho eto am-piandrasana Anao Tompo ô!
Hihira aho, hoe: ampy ahy ny fahasoavanao
Noho izay efa nataonao ahy,
Izaho mahalala fa tia ahy Ianao.

Hihira aho eto am-piandrasana Anao Tompo ô!
Ôh! hihira aho, hoe: ampy ahy ny fahasoavanao
Noho izay efa nataonao ahy,
Izaho mahalala fa tia ahy Ianao.

Hihira aho eto am-piandrasana Anao Tompo ô!
Hihira aho, hoe: ampy ahy ny fahasoavanao
Noho izay efa nataonao ahy,
Izaho mahalala fa tia ahy Ianao.

Hihira aho eto am-piandrasana Anao Tompo ô!
Eh! hihira aho, hoe: ampy ahy ny fahasoavanao
Noho izay efa nataonao ahy,
Izaho mahalala fa tia ahy Ianao!!

Noho izay efa nataonao ahy,
Ôh!ôh! Tompo ôh!
Izaho mahalala fa tia ahy Ianao.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Henika
Visites : 1943
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : christophe17
Date : 03/09/2025 17:15
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0706