TSY MANAM-PAHATAPERANA NY FITIAVANA (Groupe MANRESE)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Ny finoana an’Andriamanitra No antoka ahazoana ny tena fiainana.
Tsinontsinona anefa ny olombelona,
Rehefa tsy entanim-pitiavana.
Tsy manam-pahataperana ny fitiavana,
Ny finoana sy fanantenana, dia avy aminy.
Tsy manam-pahataperana ny fitiavana,
Izy telo ireo no mitoetra,
Fa ny fitiavana (2) no lehibe indrindra.
2- Ny fanantenan’olombelona
Dia mba ho tody am’ilay nampanantenan’ny Ray.
Tsinontsinona anefa ny fiainana
Rehefa tsy entanim-pitiavana
3- Ny fitiavana marina tokoa :
Faharetana, mora fo,
ary koa mahafoy ny tena.
Tsinontsinona anefa ny asantsika
Rehefa tsy entanim-pitiavana.
--------
Lien:
Commentaires
goodnssgirl
(
01/07/2017 13:34)
How are you today.I will like to discuss important issue with you.Please write me through this email joylentreya014@yahoo.com so that i will explain to you send you my picture
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Groupe MANRESEVisites : 2088
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : gm10
Date : 06/01/2015 14:18