Ampidiro aloha ny tenimiafina
Lehibe Jehovah (Groupe Hiakan'ny Avo Mpandresy)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Refrain :Sambatra izay mialoka Aminy
Fifaliana foana no mameno ny fiainany
Fa ny fahasoavana sy ny famindram-po
Hanaraka anao tokoa
Lehibe Jehovah Andriamanitra Ray
Avo indrindra
Izy ilay Aro Fiarovana Manda ho ahy
Mandrakizay
Fa ny fiadanany ! nomeny e !
Mba navelany ho antsika e !
Ary ny aina e ! nafoiny e !
Mba hamonjena ho ahy sy ianao
Refrain :
Sambatra izay mialoka Aminy
Fifaliana foana no mameno ny fiainany
Fa ny fahasoavana sy ny famindram-po
Hanaraka anao tokoa
Lehibe Jehovah Andriamanitra Ray
Tompon’ny zava-drehetra e !
Na ny any an-danitra na ety an-tany
Dia an’Azy avokoa
Izy ilay Mpanjaka ny Mpanjaka
Tompon’ny fahefana
Na ny maty natsangany e
Nanaovany fahagagana
--------
Lien:
Commentaires
Rado1349
(
28/04/2026 18:59)
Tsara ny midera an'Andriamanitra e!
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Groupe Hiakan'ny Avo MpandresyVisites : 16
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Rado1349
Date : 28/04/2026 18:58
