Miorena tsara (Groupe évangéliste AZF)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Misy fahavalo maro te hiady aminao
Aza kivy na mivalo fa Jeso homba anao
Refrain:
Miorena tsara e, aza miova
Mahefa be amin´ny asan´ny Tompo
Koa miareta amin´ny fahoriana
Ary mahareta amin´ny fivavahana

Fa isika tsy naman´izay mihemotra
Tsy naman´ny mihemotra amin´ny fahaverezana
Fa isika tsy maintsy mandroso
Miroso hatrany, miroso amin´ny finoana

2.   Ady mafy no indro atrehinao
Ento ny ampinga sy ny sabatrao
Ka miomana ny handresy ianao
Satria Jeso Mpanjaka no loha-làlanao
Refrain:
Miorena tsara e, aza miova
Mahefa be amin´ny asan´ny Tompo
Koa miareta amin´ny fahoriana
Ary mahareta amin´ny fivavahana

Fa isika tsy naman´izay mihemotra
Tsy naman´ny mihemotra amin´ny fahaverezana
Fa isika tsy maintsy mandroso
Miroso hatrany, miroso amin´ny finoana

A/C : RANDRIAMAMPIANINA Jean Clarel (Avril 2014)
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Groupe évangéliste AZF
Visites : 25
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Toavininosy
Date : 21/02/2026 21:52
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0455