Sambatra (Groupe évangéliste AZF)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Sambatra Jesô izay miaraka Aminao
      Ny alim-pahoriana mody ho fifaliana
      Na inona manjo, na ratsy na soa
      Ianao no manome fiadanam-po
Refrain :
Isaorana Jesô ny Anaranao
Tamin´ny rehetra nataonao
Misaotra Anao ny saina sy ny fo
Fahefana sy ny hery ho Anao tokoa

2.   Mahatsara ahy Jesô ny eo akaikinao
      Ny aizina ho lasa, mazava no naposakao
      Na inona miseho aza hatao mampitoreo
      Jesô irery ihany no jereo
Refrain :
Isaorana Jesô ny Anaranao
Tamin´ny rehetra vitanao
Misaotra Anao ny tena sy fanahy
Voninahitra ho Anao mandrakizay

A/C : RANDRIAMAMPIANINA Jean Clarel (Mars 2016)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Groupe évangéliste AZF
Vangy : 34
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Toavininosy
Daty : 28/03/2025 19:55
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3619