ANDEHA RE HO ZAKAINA (FEFI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1
Andeha re ho zakaina Raha ny hazo fijaliana
No misakana tsy azahoana llay fonenana tsy mba vidina
Tsy aleo ve dieny ety tokoa No miharitra zava-manjo
Toy izay rehefa eo andapan-dRay Vao ho lavina mandrakizay

Fiv.
O mba andrandrao (andrandrao)
Lay lapasoa ho anao (ho anao)
Efa vonona ao (efa vonona ao)
Ho ahy ary koa ho anao O avia re (o avia re)
Avia ka mijere (ka mijere) Fa sambatra‚ zay tafiditra ao

2
Andeha re ho resena Raha toa ka ny fakam-panahy
No jadona izay manakana Tsy handovana ny lapan’ny Ray
Zay nambaran’ny fa ho an’ny olona Voafantina sy voafidy
Nahatanteraka fihazakazahana Tsara saina nahay nisafidy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : FEFI
Vangy : 1898
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : rado6185
Daty : 02/01/2015 14:16
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0725