ho anao (Eri)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Atolotro ho anao ity hirako ity malala an !
foiko ho anao am-pitiavana ahatsiarovanao ahy
voatery hisaraka mantsy isika ka hifandao
souvenir foiko ho anao orohy raha mahatsiaro ahy

Tsy fidiny amiko anie ny hisaraka akia ry malala
f’izao no lahatra ho antsika rahavako rehefa tsy anjara
ireo lasantsika tantara no sisa
ireo sangisangy niara-nilalao tsy ho hadinoko rehefa
mahatsiaro anao aho

Atolotro ho anao ity sariko ity malala an !
foiko ho anao am-pitiavana ahatsiarovanao ahy
izao no hafatra sisa apetrako an-dry ry malala
veloma re mahereza ary mandrampihaona e!

Tsy fidiny amiko anie ny hisaraka akia ry malala
f’izao no lahatra ho antsika rahavako rehefa tsy anjara
ireo lasantsika tantara no sisa
ireo sangisangy niara-nilalao tsy ho hadinoko rehefa
mahatsiaro anao aho
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Eri
Visites : 1937
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : tarizao
Date : 20/11/2006 14:30
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0716