Izaho Tianao (Ely El'rah)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ely El'rah feat Eric Mc

Ely El'Rah : Hono ho aho , Madimoazely e
Saika hanotany aho mo va ianao tia ahy
Zaho mantsy te hiteny , fa matahotra sao ianao tsy mila ahy

Tiko ho heno anie 'lay feoanao miantso hoe Ely oh
Fa na ho ela na ho aingana dia tsarovy fa hiandry aho

Ao mba tantaraiko zay Rehetra ao anaty foko ao
Fa ny ahy no tena ilaiko dia tsy misy hafatsy ianao

Na ho sarotra aza ny lalana dia tsy "quoi" fa hiafiko ihany
Zaho ity anie tsy manana hafatsy ianao eto antany

Rf: Any izay malalako izay e
Mila anazy eto anilako zaho
Mba ho lavitry ny tomany
Zaho tia anao oh! x2

Eric Mc: Mba fanirina anie lay isan'andro lay mitafatafa hiara-dalana aminao
Isan'andro isan'andro dia ilaiko tsiky malefaka atolotrao

Tiko ho tsapanao fa misy fitia anatiko ao
Matokisa baby ,fa tsy hamitakanao aho oh

Androany no ilazako ,Andrinao aho manomboka anio
Dia ho mandrakizay "toujours" fitiavana madio

Na ho sarotra aza ny lalana dia tsy "quoi" fa hiafiko ihany
Zaho ity anie tsy manana hafatsy ianao eto antany

Rf: Any izay malalako izay e
Mila anazy eto anilako zaho
Mba ho lavitry ny tomany
Zaho tia anao oh! x4
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ely El'rah
Vangy : 416
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : Tolora
Daty : 18/02/2022 15:24
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1246