MANDALO (Ely El'rah)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ory kiaky sy neny oh miarahaba anareo
Manatena hoe inona ny vaovao f'efa ela izaho no tsy teo


Aza tsiny azafady fa izao vao mamangy
Noho ny fiaina mafy de tsy maintsy mitady

Fa ny aty tsy manadino (tsy manadino ny mpianakavy ao an-tanana)
Zaho ity mangina (mangina dia tsy maintsy mandalo)

Aza mataotra fa izaho , izaho salama tsara ee!
Fa tsy maintsy miezaka mba ho tsara fiafara

Rf : salama tsara ve ianareo
Zaho aty salama akory aby ny any aminareo
zahay manatena hoe tsy hisy ny marary
Raha misy ary izany dia mirary soa ho salama

Mifofofofo avy any antsinana ny rovotra handrakotra ahy
Hitondra hery misitery
Hanazava ahy hitsidika anareo

Resaka ka resaka fa tsy maintsy tongako any ah !
Na inona hidona na inona hiatra dia izaho tsy maintsy ho eo

Aza adino ,zaho mo mba hoaiza
Zaho mo tsy misy afatsy inareo izay nitaiza
Ka miangavy , fa mbola hoavy
Ity zana-tany tsy taiza fa mbola nitady
Fa tsy handao fa mbola hoavy

Aza mataotra fa izaho , izaho salama tsara e e!
Fa tsy maintsy miezaka mba ho tsara fiafara

Rf : salama tsara ve ianareo
Zaho aty salama akory aby ny any aminareo
zahay manatena hoe tsy hisy ny marary
Raha misy ary izany dia mirary soa ho salama ×3

Misaotra tompoko
--------
Rohy:
Hevitra
Tolora ( 17/02/2022 20:57)
Tsy hevitra fa hisaorana ianareo nampisy ny apk Tonon-kira malagasy .Anisan'ny manampy be dia be anay Artiste vao misandratra izany ... Misaotra indrindra tompoko

Ireo hira ampidiriko ireo dia hira ampiarahanay feo isan-kariva amin'ny guitare .Isaorana ianareo e
hery ( 17/02/2022 21:44)
Misaotra anao koa.

Raha mba afaka mahazo mp3 dia vao maika faly.

Alefaso amin'ny adiresy media@radiovazogasy.com

Misaotra
Tolora ( 19/02/2022 20:52)
irina tokoa ny handefa mp3 ... Ao fa alefa miandalana eny ny Mp3
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ely El'rah
Vangy : 757
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Tolora
Daty : 17/02/2022 20:57
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0748