Be vinany ( bande original ) (Dzao Lahy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Malama ny tany e ,tsinjovy izay hiafarana
Soa lavo hahay hamindra raha ho any
Fahamarinana ihany e , tandremo be be vinany
Aleo miara-mamindra raha ho any

1) Nanantena tsy ho tratry ny aloka Kay tratry ny alok'akoho
Nitetika arivo kay Maty iray Alina , banky tany amin'ny adin'akoho
Rapaoly tsy te hisahirana , tsy te hiasa Fa kamo be tenda
Mbola ho tratry ny ankodimirana , patsa iray tsy omby vava mahakenda

Ref: aza bevinany a , aza mihanihany satria:
Malama ny tany e ,tsinjovy izay hiafarana
Soa lavo hahay hamindra raha ho any
Fahamarinana ihany e , tandremo be be vinany
Aleo miara-mamindra raha hoany

2) Tsy mitondra mankaiza razoky raha resaka sy balarora
Aza mba atao fanao hoa Rakoto le revin-dRapaoly fatsora
Ka tandremo ny hafetsifetsena , Fa io anie tsy de mahasoa
Ny fiainana tsy ifanerena rahalah la aza de be mokondoha
Réf:(×2) aza bevinany a ,aza mihanihany satria:
Malama ny tany e , tsinjovy izay hiafarana
Soa lavo hahay hamindra raha ho any
Fahamarinana ihany e , tandremo be be vinany
Aleo miara-mamindra raha ho any

Dzao Lahy Ofisialy
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Dzao Lahy
Visites : 259
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : Dzao
Date : 14/08/2023 05:55
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0817