Natoraly (Dzao Lahy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Malandilandy e, marotsadrotsaka e,
Natoraly
Malandilandy ee, marotsadrotsaka e,
Natoraly

Natoraly e e
Avy amin JAHNAHARY e
'Zay le natoraly e e
Avy amin JAHNAHARY e

Malandilandy e, marotsadrotsaka e,
Natoraly
Malandilandy ee, marotsadrotsaka e,
Natoraly

Natoraly e e
Natoraly e e
'Zay le natoraly e e
Avy amin JAHNAHARY

Masoko mena,
Molotro vakivaky,
Natoraly
Olombelo miaina,
Olombelo tsy maintsy maty e
Natoraly

Natoraly e e, Natoraly e e
Natoraly e e, avy amin JAHNAHARY e e

Vao teraka aho e e
Nampianarina nipetraka e e
Nianatra nandady e
Nianjera raha nandeha
Vonjeo re fa zaza e e
Tsy mahita fa mandreha
Lavitra ny lalako e
Fiakarana mideza be

Natoraly e e, Natoraly e e
Avy amin JAHNAHARY e
'Zay le natoraly e e

MAITSO, FOTSY, MENA
MALAGASY izany

Ny volon-koditro zara
Tanindrazako Gasikara e e
Natoraly,
Fotontsakafoko vary,
Fivavahako Dzanahary e e
Natoraly

Natoraly e e, Natoraly e e
Natoraly e e, avy amin JAHNAHARY e e

Vao teraka aho e e
Nampianarina nipetraka e e
Nianatra nandady e
Nianjera raha nandeha
Vonjeo re fa zaza e e
Tsy mahita fa mandreha
Lavitra ny lalako e
Fiakarana mideza be

Natoraly e e, Natoraly e e
Avy amin JAHNAHARY e
'Zay le natoraly e e
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Dzao Lahy
Vangy : 1209
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Herivola 915
Daty : 25/09/2019 22:36
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1138