MBOLA (Dama)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Misy adàla manan-tsaina
ao an-tsenan’i sabotsy ao
tena tsy azo ambakaina
na dia akamany aza ianao
firifiry no efa nandré
ny tantarany teto ANTSIRABE
MBOLA irery no ao an-tsena
raha vao alina ny andro
izy no mpiambin’entana
isan’andro isan’andro
rehefa miakatra ny paoma
i MBOLA dia tsy maintsy eo foana ah !

2-Asa raha misy mahavita
ny fahaizan’i MBOLA
manao tsingolo-batita rehefa te hahazo vola
alainy @ lela ny vola ariary 4
lasa in1 i mbola( 4)*2
hitady vola ,tsary mety tola (2)
raha sendra mangingina
ny ao tsenan’ i sabotsy ao
dia i MBOLA no antsoina hiarahana milalao
ka lasa adàla daholo ny ao an-tsena manontolo.

3-Nahazo vady ary i MBOLA
vady tena tsara tarehy
hitany tao an-tsena t@ izy nandende
ka nahazo zazakely
lahy tahaka an-drainy
faly be i MBOLA (4)*2
tsy adàla tahaka azy ny zanany lahy (2)
betsaka ny olona hendry
ao @ tsenan ’sabotsy ao
betsaka koa ny olona adala ao antsenan’ i sabotsy ao dia mifangaroaro
dia manjary be sy ny maro

4-Gaga ny olona hendry mijery ny olona adàla
gaga koa ny ny olona adàla mijery ny olona adàla
dia mifampijerijery ao @ tsenan’ i sabotsy
indraindray ny olona hendry mba manao hadàlana
indraindray koa ny ny olona adàla mbà manao fahendrena
tsy fantatra intsony izay adàla sy ny hendry ....
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Dama
Visites : 3537
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : lemenakely
Date : 21/05/2006 00:04
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.072