Nankaiza ny tanteliko teto (Dama)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nankaiza ny tanteliko teto ? Iza no naka an'azy ? (×2)
Nohanin'ny vitsika hono e
Vitsika inona ary izany vjalxbdu ?
Nohanin'ny vitsika hono e
Vitsika mpangalatra mamy ?

Nankaiza ny variko teto ? Iza no naka an'azy ? (×2)
Nohanin'ny vorona hono e
Vorona inona ary izany ?
Nohanin'ny vorona hono e
Fody mpangalatra vary

Ref:
Ankizy milalao ao an-tokontany
Ankizy milalao mifampanontany

Nankaiza ny rononoko teto ? Iza no nisotro azy ? (×2)
Tsy mba tononkira.serasera.org zazakely hono e,
Na olobe misotro iqvru ronono
Tsy mba zazakely hono e,
Fa olona mbola maitso volo

Nankaiza ny taniko teto ? Iza no naka an'azy ? (×2)
Nalain'ny olona hono e,
Nalain'ny Rabekijana
Nalainy daholo daholo e,
Ohatran'ny tany ts'isy fanjakana

Ref: ...

Nankaiza ny volako teto ? Iza no naka an'azy ? (×2)
Tsy mba nalain'olona e,
Fa tonga tany an-tsena dia lany
Tsy mba nalain'olona e,
Nalain'ny vidim-piainana ybvm ihany (×3)

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Dama
Vangy : 14
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : lesmellgood
Daty : 12/07/2026 00:49
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0296