HARENA TSY VOLA (FID) (Dama)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misy harena tsy vola re olona e Fa tsy notrandrahana avy @ tany
Misy harena tsy vola re olona e
Fa notrandrahana , avy ao ampon ' olombelona ihany
Misy harena tsy vola re olona e
Ifampizarana , vao maika mitombo hatrany
Misy harena tsy vola re olona e
Isika mifampitsinjo , no manana an'izany
Tsy mampisy ory hava-manana
Tsy mampisy ambony sy ambany
Samy mitondra ny eo ampelan-tanana
Raharaha ikambanana , no atao eto androany
Ataon-tsika androany
REF :: ( Fa io ny FID ),
Io ny FID e
Efa nisafidy e
Ilay harena tsy azo amidy
Nataony fanalahidy
Hitsinjovana ny lehibe , sy ny ankizy .
Io ny FID e
Efa nisafidy e
Ilay harena tena izy
Nataony fanalahidy
Ny fiahiana mpiara-belona ,
F ' izay ilay izy .
Misy harena tsy vola re olona e
Izay mampitraka , ireo latsaka ambany
Misy harena tsy vola re olona e
Ny asa avotra , no manala @ sarotra
Misy harena tsy vola re olona e
ialana @ zany , farahidiny izany
Misy harena tsy vola re olona e
Vatsin'Ankohonana , no ala-olana
Ny rivo-doza sy ny tondra-drano
Mandrava efa , mampiditra angano
Atao tana-maro ny fanarenana
Ny FID tsangam-bato
Tsy mandalo miserana ,
Tsy mandalo miserana
REF :: ( Fa io ny FID ),
Io ny FID eeee
Efa nisafidy e
Ilay harena tsy azo amidy
Nataony fanalahidy
Hitsinjovana ny lehibe , sy ny ankizy .
Io ny FID eeee
Efa nisafidy e
lay harena tena izy
Nataony fanalahidy
Ny fiahiana mpiara-belona
F ' izay ilay izy .
Nataony fanala hidy
Ny fiahiana mpiara-belona
F'izay ilay izy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : DamaVangy : 449
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : RATSIMISETRA
Daty : 04/03/2023 20:45