MITSANGANA (DAFAH)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mitsangana ry tsara tarehako
K’andeha ary
Fa mamy ny feonao
Mahafinaritra ny endrikao
Samboriko ny amboahalo
Amboahalo vaventy
Manimba ny tanim-mboaloboka
Dia hitako ilay tian’ny fanahiko
Ka nohazoniko izy
Fa tsy navelako handeha
Mandra pitondrako azy
Antranon’ny neny

Indry ahy cherie tety
Manja kely
Dra, dra, dro, dro, dri, dri, dre, dre
Oe oe oe serieu

Fa tsara noho ny divay
Ny fitiavanao
Mamofompofona ny manakao
K’izany tiavanny bandy anao
Voro mailala no masona

Indro tsara tarehy ianao
Mahafinaritra
Toy ny poma aminy hazoanala
Toy izany malalany e !
Amin’ny bandy e !
Mahafinaritra indrindra
Mipetraka ambany
Alokalohany e !
Ary ny faneva
Dia fitiavana

Ao anaty voaravaka a !
Amin’ny fanomezam-pitiavana
Tamin’ny andro mifalian’ny fony
Tahaka ny kofehy jaky
Molotrao
Hasina pongam-ben-danitra takolakao
Vozonao tahaka ny tilikambo
Nde rahavako apekariko
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : DAFAH
Visites : 662
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : boranjok
Date : 20/11/2021 13:44
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.157