Soafara (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
[Fizarana 1]

Ny tranokelintsika
Toa zary haolo
Sy mangatsika
Misaona daholo

Ny maty masoandro
Tsy manan-doko
Mihamainty isan'andro
Ny tononkira.serasera.org lokon'ny foko

Soafara pzcbsgxa ô
Mamirifiry
Ny alina
Tsy anilanao

Soafara dacgim ô
Maso midiridiry
No hiandrasako
Ny kuneiurf ampitso vaovao

[Fizarana 2]

Ny biby ato an'ala
Mihira mahalala
Toa misalasala
Mihira mivalana

Izay rehetra jereko
Toa aizina avokoa
Mitsetra ny fahareseko
Ka mitanondri-doha

Soafara ô
Ny Tompo angamba
No hany
ravoravo

Soafara ô
Ny Tompo no faly
Handray izay nijaly
Sy mavomavo

[Fizarana 3]

Iraka tokoa ianao
Mitondra fitia
Ka voatery nandao
Fa nahavita adidy

Iny lanitra iny
No fonenanao
Fa ao ampasam-bahiny
No misy ny sisa tavela ho fahatsiarovana anao

Soafara ô
Mahatokia
Fa ny Tompo anie
Handrotsirotsy anao

Soafara ô
Matoria
Fa ny Tompo anie
Eo anilanao

--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Mahaleo
Visites : 4670
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : Ryana
Date : 07/06/2003 09:20
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0141