Ny manompo Anao (Chorale Feon'ny Fahazavana Vontovorona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1.
Toa mahafaly fotsiny ahy ny antsoina hoe manompo Anao
Faly aho rehefa antsoina hoe mpitory ny anaranao
Tsapako anefa ankehitriny fa tsy filan-dera no manaraka Anao
Manenina aho Ray ô ka mifona Aminao

Réf:
Hay kay ny manompo Anao mila fanetren-tena be
Manaiky ho tarihinao na aiza toerana ho aleha
Manao ny asa amin'ny fitiavana tsy mila tambiny
Na mafy aza ny dia, ny mihemotra sanatria

2.
Ny andro sisa omenao ahy tsy ho ataoko toy ny taloha
Fa hataoko tena hitoriana ny anaranao Jesosy
Ka ho hatomboko amin'ny fianakaviako sy ny ankohonana atolotrao
Mba ho tena tokatrano miaraka manompo Anao

Réf:
Satria ny manompo Anao mila fanetren-tena be
Manaiky hotarihinao na aiza toerana ho aleha
Manao ny asa amin'ny fitiavana tsy mila tambiny
Na mafy aza ny dia, ny mihemotra sanatria

Ny tena manompo Anao mila fanetren-tena be
Manaiky hotarihinao na aiza toerana ho aleha
Manao ny asa amin'ny fitiavana tsy mila tambiny
Na mafy aza ny dia, ny mihemotra sanatria

                                                                                        Chorale F.F.V
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Chorale Feon'ny Fahazavana Vontovorona
Vangy : 68
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Miie
Daty : 04/11/2025 17:01
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0757