AFAKA ISIKA (Chorale Amboaram-Piderana Mangatany)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1) Ny Ran'i Jesosy Kristy
No famonjen'antsika rehetr'ety
Ny gadr'izay namatotra
Dia torotoro sy tapaka

REF: Afak'isika afaka tokoa  
Ny ota efa vita dia levon'avokoa
Koa  andeha  hobio, hobio derao
'Lay be fitia nanavotra anao
(1è v) Hobio anio,'lay Jesoa soa Tompo mpanadio
(2è 3è v) Ankalazao anio 'lay Jesoa soa Tompo mpanadio
(4è v)  Hobio anio 'lay Jesoasoa Tompo mpanadio

2) Sarobidy tsy voavidy
Ny avotr'izay nentin'i Jesoa
Ry olon'ô mba saino re!
Jesosy anie nijaly ho anao

REF: Afak'isika afaka tokoa  
Ny ota efa vita dia levon'avokoa
Koa  andeha  hobio, hobio derao
'Lay be fitia nanavotra anao
(1è v) Hobio anio,'lay Jesoa soa Tompo mpanadio
(2è 3è v) Ankalazao anio 'lay Jesoa soa Tompo mpanadio
(4è v)  Hobio anio 'lay Jesoasoa Tompo mpanadio
                                    
                                 A/C : Benjamina & Harimanitra
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Chorale Amboaram-Piderana Mangatany
Visites : 898
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : AmboaramPiderana
Date : 17/02/2019 11:41
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0798