AMBOARY IZAHAY JESOA (Chorale Amboaram-Piderana Mangatany)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1) Ny famindram-Ponao Tompo ô!
No nitiavanao anay
Ka na tsy mendrika aza
Notiavinao ihany
Fa tsy foinao ho very
‘Zahay rahatrizay

REF:
Amboary indray Jesoa
(Amboary indray Jesoa) 2è voix
Amboary indray ‘zahay
(Amboary izahay ) 2è voix
Ho mendrika ny Fitiavanao

2°/ Ny Fitiavanao no mialoha
Ilay Fitiavanay Anao Jesoa
Ianao nanolotena
Mba ho famonjena
Hampitohy indray
Ilay fihavanana amin-dRay.

REF:
Amboary indray Jesoa
(Amboary indray Jesoa) 2è voix
Amboary indray ‘zahay
(Amboary izahay ) 2è voix
Ho mendrika ny Fitiavanao

A/C : Pasteur : ANDRITIANA
--------
Rohy: https://tononkira.serasera.org/hira/chorale-amboaram-piderana-mangatany/amboary-izahay-jesoa-1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Chorale Amboaram-Piderana Mangatany
Vangy : 691
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : AmboaramPiderana
Daty : 17/02/2019 11:40
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2022 - page load 0.1405