FA TOY IZAO (Chorale Amboaram-Piderana Mangatany)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fa toy iza, fa toy izao
Nitiavan’Andriamanitra
Izao tontolo rehetra izao
Tsy misy ankanavaka

1) Nomen’Andriamanitra
Ny zanany malalany
Hamonjy ahy sy ianao
‘Zay tiany sy maminy
Voninahitra avo re!
Ho Anao ry Tompo ô!
Fiadanana tokoa anie
No efa tonga ho anao

Nanetry tena anie Jesoa
Ka nidina tety an-tany
Hamonjy izao tontolo izao
Izay feno ota sy tomany
Koa hirao sy derao
Mifalia sy mihobia
F’efa tonga ho anao
‘Lay mpamonjy be fitia

Fa toy iza, fa toy izao
Nitiavan’Andriamanitra
Izao tontolo rehetra izao
Tsy misy ankanavaka

2) Indro tonga ny mazàva
Mibaliaka ho antsika
Ny haizim-pito hoe hisava
ka fifaliana lanladava
Voninahitra avo re!
Ho Anao ry Tompo ô!
Fiadanana tokoa anie
No efa tonga ho anao

Nanetry tena anie Jesoa
Ka nidina tety an-tany
Hamonjy izao tontolo izao
Izay feno ota sy tomany
Koa hirao sy derao
Mifalia sy mihobia
F’efa tonga ho anao
‘Lay mpamonjy be fitia

3) Ô ry reraka ao am-po
Moa mba fantatrao ve?
Fa Jesosy Tompo soa
Tonga ho anao anie
Koa meteza ianao anio
Manantona azy izao
Tsy ampitso intsony fa anio
Koa tapaho ny hevitrao

Nanetry tena anie Jesoa
Ka nidina tety an-tany
Hamonjy izao tontolo izao
Izay feno ota sy tomany
Koa hirao sy derao
Mifalia sy mihobia
F’efa tonga ho anao
‘Lay mpamonjy be fitia

A/C : RATSIRISON Armand
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Chorale Amboaram-Piderana Mangatany
Vangy : 1366
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : AmboaramPiderana
Daty : 17/02/2019 11:40
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0742