Noël Noël (Bessa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Noël, Noël !.... Isan-taona dia injao !
Noël, Noël !.... Tsianjery no atao
Noël, Noël !.... Tonta ve sa vaovao ?

Noël, Noël !.... Efa mila tsy ho re !
Noël, Noël !.... Ilay teny tsotra hoe :
Noël, Noël !.... Fiadanana anie !

Minia mikimpy avokoa izao tontolo izao
Ka ny Noely zary andron'ny manan-katao
Hodian-tsy hita ve ireo mahantra marobe ?
Izany no Noely ve ?

Mamonjy tavan'andro ny mpihatsaravelatsihy
Ka mody avela kely aloha ny zera baomba ary
Fa rahampitso dia tohizana indray e !
Ilay fomba ratsy hatrizay

Noël, Noël !....

Misafo vava, konjo kosa ireo kamboty Ray
Fadiranovana hatrany, tsy misy mpandray
Ny maso foana no apitrapitrany eo e !
Toa miantsoantso hoe : "Vonjeo !"

'Lay Famonjena nodradraina hatry ny elabe
No azonay mba antenaina, rahoviana re ?
Sa ny Mpamonjy tsy mba tonga ho anay e !
Fa tsy mba ondriny izahay

Noël, Noël !.... Ankehitriny, fantatrao izay tokony hatao amin'ny rahalahinao
Noël, Noël !.... Mba meteza ianao handre !
Noël, Noël !.... Ilay teny tsotra hoe :
Noël, Noël !.... "Fiadanana anie !"
--------
Lien:
Commentaires
noor2015 ( 20/12/2015 10:49)
Fa rehefa tadiavina ilay izy dia lazaina tsy hita hany ka mba maampiditra ny tena nefa mipoitra indray ny an'ny hafa nampiditra teo aloha rehefa vita ny an'ny tena??inona re no mahatonga izany azafady???
hery ( 20/12/2015 19:58)
Ny titre ve no notadiavinao?

Andraso jerena raha toa ka mitovy ny zavatra nampidirinareo
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Bessa
Visites : 7398
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : chrislyd2
Date : 08/01/2011 22:13
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.073