Ampidiro aloha ny tenimiafina
Fiainam-baovao (Armm (Antsan-dRasalama Martiora Manjakaray))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Solo : Ô ry Adama o, fa mba aiza moa ianao e
F'inona loatra ary izato adalàna natao e
Etsy ho jereko,
Ny entanao ento,
Eto anatrehako izao
Aok'izay ny sento ary etsy ho babeko
F'Izaho anie tia anao
1. Fa n'inona n'inona izay vitanao
Izaho anie tsy tonga hanasazy
Avia manatona eto Amiko izao
Fa omeko anao ny aina vaovao
Tsarovy fa raha anio no manatona ianao
Ny an-danitra ao anie ka mifaly
Ireo izay mangeja mamatotra anao
Ho vahako anio raha sitrakao
2. Raha toa anio tapa-kevitra ianao
Izaho koa efa ela no niandry
Hanome anao ilay aina vaovao
ilay maraina soa anjaranao
Anio mibebaha fa ireo otanao
(no) manefitra anao amin'izany
fitahiana toky ary FIAINAM-BAOVAO
izany rehetra izany omeko anao
Refrain :
FIANAM-BAOVAO no omeko anao
Avia zahao tsy ho neninao
Izao anio izao raha sitrakao
Avia manatona eto Amiko izao
Izaho anie tia anao (Solo)
Ye ehhhhh
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Armm (Antsan-dRasalama Martiora Manjakaray)Visites : 137
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : joantsa
Date : 10/08/2025 12:02
