Apostoly (Apost)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Taloha ela be tany
Dia nisy ireo mpaminany
Izay nitondra teny mamy
Ka tsiarovana hatrany
Nofidiana izy ireo
Hanamparitaka ilay feo
Izay tsy mety hankaleo
Ka tsy misy ny toreo

Hanavotra ny olombelona
Fa iraka avy a@ Ray Andriamanitra
Nofidiana izy ireo tao anatin’ny maro fa
Hitondra feo, hafatra avy any an-danitra

Tsy nohenoina akory anefa izy ireo
Misy aza sahy miteny fa mankaleo
Kanefa ny kinendriny dia ny soa hatrany
An! An! An!

Misy ambodia mitafy hodi-janak’ondry
Mahay manafina ny tanany mondro
Be vinany izy ireo mody hoe milay
Kanefa ange tsy manaraka ny tenin’ny Ray

Ô ry fasana maizina bobongolo
Nofoanana
Tsy hitahiry ny nofiny manontolo
An! An! An!

Tsy maintsy misy foana ny jodasy
Mpamadika, manenina, mananton-tena
Ao koa ireo nandà azy in-telo
Voa mafy ka nibebaka sy mody nampalahelo

Ô ry fasana maizina bobongolo
Nofoanana
Tsy hitahiry ny nofiny manontolo
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Apost
Visites : 2261
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : blahblah
Date : 02/10/2013 02:10
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0736