You are here: home > Tononkira > Apost

tsy lavorary (Apost)

https://tononkira.serasera.org/hira/apost/tsy-lavorary

F’angaha raha ngôda be dia tsy refesi-mandidy
Tsy hanefa ny adidy
Didiko fehy lehibe
Manao izay ndanin’ny kibo
Izay tsy mety voky intsony hoa
Na dia efa eny an-tenda kely
Hitomaniana ny any
NOANA E !
Tsy mety voky izy hoa!
Na dia efa eny an-tenda kely
Hinana ihany

Raha mitobaka ny mpino hanamparam-pitiavan-tena
Alaina ny am-pahafolon-karena
Ilay mba kely hanany
Esorina aminy indray
Aiza no handroso @ izany hoa
Nampiana tosik’aza
Mbola mihemotra ihany
MINOA!
Minoa fotsiny ihany
Na dia foanTsiky dia ampya aza ny any am-bilany
Ho hita eo ihany

Mba rahoviana re ity Nosintsika ity
Mandeha @ laoniny
Satria tsy misy tsy eo aminy
Ambany na ambonin’ny tany
Safira, volamena
Mamiratra jerena
F’isika mahonena
AIZA E !
Malaza toa tsy hitandrona
Toa vilin-tsahona
Be lazao

Isika olombelona ihany no nandrora mitsilany
Nanimba ity tany
Ny zavatra nohariana
Ho paradisan-tany
Isika olombelona ihany hoa
Nandrora mitsilany
No anton’izany
ISIKA E!
Isika olombelona ihany hoa
Nandrora mitsilany
Be vinany
Be vinany ! BE VINANY!

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Apost
Mpamaky : 1210
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : blahblah
Tamin'ny : 05/07/2013 06:45:33
ID : 6344

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo