Zaza Mpandany (APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tretriky ny famindram-ponao zahay Zanahary
Fa izahay tokoa no tsy manjary
Lazao, lazao, ambarao zay tena sitrakao
Fa izahay efa sahiran-tsaina ka mba mitaraina

Ny andiam-balala, mila hahalasa adala
Simba ny voly, zao ve no asan-devoly ?
Ny lanjam-piainana misondrotra hatrany
Tsy zaka ka mampitomany
Tretrika ianareo izay efa any ambony any

Tompo Zanahary ambony
Mbo ho avy iha ndraiky andro any
Iha raiky avao ro afaka hampitony
Ny fijalia eto an-tany

Mifofotra, mikaroka ireo manam-pahaizana
Fa misy aretina izay toa nanafaizana
RIVO-DOZA, VALALA, CORONA, SIDA
Mahavalaka, mahavery fanahy
Mandringana ny tany. Tsiny sa tody ?

Fa firy no miandry ny andro hiavianao ?
Maro ireo tsy tafandry, manao ‘zay raha tiany hatao
« Boite de nuit » atiky sy ary
Fijangajangana tsy voatana
Ny lahy sy vavy tsy mila mariage

Hitsangana aho ho any @ Raiko
Ka hanao Aminy hoe:
« Dada ô! Efa nanota tamin’ny lanitra
Sy teo anatrehanao aho
Ka tsy mendrika antsoina hoe zanakao intsony
Fa mba ataovy tahaka ny anakiray @ mpikaramanao re aho »

              A/C : Ni RANOELISON
               Nampiditra: Lee Tsiry Belouh
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga)
Visites : 24
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : 586b
Date : 17/03/2026 14:55
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0763