Soldats tsy mitsoaka (APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1) Indreto ‘zahay miaramilan’i Kristy Soldats tsy mitsoaka ady re nt aty e!
Na ho basy na tafondro no hipoaka
‘Zahay efa vonon-kiady ka tsy mba mitsoaka
Dia hihira, hihira, hihira hatrany ‘zahay
Fa hira, hira, hira no fiainanay e!
Dia hihira, dia hihira, dia hihira
Hirahira fankalazana sy fiderana
Micro no basinay, feo no balanay
Baiboly sy fihirana no ankalazana
Jesoa no kapiteny, Jesoa no komandà
Jesoa no mitarika ny soldats
Zahay, zahay tsy mipody afara
Fa hihirahira foana mandava-taona
Dia hihira, dia hihira, dia hihira
Hidera sy hankalaza Anao ry Ray ô!
2) Indreto zahay soldats mafy toto
Tsy misy mafy tokoa tsy laitran’ny zoto
Ny talenta sy ny fahaizana rehetra
Hideranay ny Tompo @ fo tsy misy fepetra
Micro no basinay, feo no balanay
Baiboly sy fihirana no ankalazana
Jesoa no kapiteny, Jesoa no komandà
Jesoa no mitarika ny soldats
Zahay, zahay tsy mipody afara
Fa hihirahira foana mandava-taona
Dia hihira, dia hihira, dia hihira
Hidera sy hankalaza Anao ry Ray ô!
Dia hihira, hihira, hihira hatrany ‘zahay
Fa hira, hira, hira no fiainanay e!
Dia hihira, dia hihira, dia hihira
Hirahira fankalazana sy fiderana
Dia hihira, hihira, hihira hatrany ‘zahay
Hidera ny anaranao Mpahary anay ô!
Dia hihira, dia hihira, dia hihira
Na andavan’andro na alahady tsy mitsoaka ady
A/C: Nirina RANOELISON (Ni)
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga)Visites : 15
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : 586b
Date : 04/02/2026 09:13
