Ry Jesoa mofon'aina (APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ry Jesoa mofon’aina ô!
Velombelona ny aina
Fa tojo Anao ‘lay niriana
Tojo Anao ‘lay tena tiana
Endrey ‘zany hasambaranay
                Fa afaka mandray Anao indray
                Ry Jesoa Malala ô!
                Mitoera re fa aza miala
                Fa mila Anao ‘zahay
                Mila anao mandrakizay
                Satrinay Ianao hitoetra
                Amin’ny andronay rehetra

Ry Jesoa mofon’aina ô!
Mofo velona Ianao
Ry Jesoa mofon’aina ô!
Sakafo velona Ianao
Ry Jesoa mofon’aina ô!
Aina sy vonjy Ianao
Loharano tsy ritra, miboiboika Ianao

Ry Jesoa mofon’aina ô!
Miramirana ny saina
Mandray Anao Kristy
Ao anaty Eokaristia
Endrey zany hafalianay
                Fa tafahaona Aminao indray
                Ry Jesoa fitia ô!
                Andeha re hiara-dia
                Fa mila Anao ‘zahay
                Mila Anao mandrakizay
                Satrinay Ianao ho eo foana
                Mandavan-taona

A/C: Nirina RANOELISON (Ni)
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga)
Visites : 25
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : 586b
Date : 04/02/2026 08:53
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1437