MIFANKATIAVA ISIKA - "Mari-piadanana" (APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1) Mifankatiava isika…
Fitiavana loharano tsy ritra
Fiadanana  hatrany, manomboka eto an-tany
Ho santa-piadanana an-danitra any

Atolory ny tananao mba hifandray
Hombam-piadanana, ho finoana iray
Hiara-dia isika, tsy hifanary
Hifankatia toy ny rano sy vary

2) Ho sambatra isika raha mifankatia
Fiadanan’ny Tompo mampiara-dia
Sitraky ny Ray ilay fitia fiombonana
Isika mifankatia no fiangonana
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2637