Tsisy afa-tsy Ianao (Anyah)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nandeha nivezivezy aho nitady zava-tsoa
Izay rehetra tazako nandramako avokoa
Izay rehetra hitako toa mankarary an-doha
Izay rehetra tazako dia toa mety lo
Ka tapa-kevitra aho f’Ianao no hiankinako

Satria ts’isy afa-tsy Ianao no afaka hifaly ahy
Satria ts’isy afa-tsy Ianao no Tompoko (x2)

Ry Tompo atolotro anio ny fiainako ho Anao
Ka mba raiso sy ahitsio ry Jesoa anjakao
Fantatro fa Ianao Ilay tsy mba mandao
Arovy aho ho eo ambany elatrao
Fa tapa-kevitra aho ny hanaraka Anao

Satria ts’isy afa-tsy Ianao no afaka hifaly ahy
Satria ts’isy afa-tsy Ianao no Tompoko (x2)
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Anyah
Visites : 7205
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : admin
Date : 30/03/2007 08:31
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0752