Mandrampahoviana (Antsan'ny Fo Masin'i Jesoa)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mandrampahoviana no hanadinoanao ahy Tompo oh Mandrampahoviana no hanafenanao ny tavanao amiko
Mandrampahoviana no hamoromporon-kevitra ao amin’ny fanahiko ao
Ka ho feno alahelo isan’andro ny foko
Mandrampahoviana no hitsanganan’ireo fahavaloko hamely ahy
Mandrampahoviana Tompo oh
Mbola tsy niantefa taminao ny antsoko , dia indro ianao ry Tompo nanolo-tanana ahy
Avia hoy ianao ,avia manaraka ahy , Ny foko ho anao miraiki-pitia
Hihira ho anao aho ry Tompo tsara fo , nohon’ny soa nataonao tamiko
Hoy niteny hoe aza mitsikera , ireny otanao fa sao ho kivy ianao
Avia hoy ianao ,avia manaraka ahy , Ny foko ho anao miraiki-pitia
Hihira ho anao aho ry Tompo tsara fo , nohon’ny soa nataonao tamiko
Irony anatrao , manjohy ny fanahy , fanilo manazava mitondra fandresena
Ny fiainako tontolo no miaraka aminao fa lalina ho ahy ny fitiavanao
Hihira ho anao aho ry Tompo tsara fo , nohon’ny soa nataonao tamiko
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Antsan'ny Fo Masin'i JesoaVisites : 556
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Rova Jahcs Ratsimbazafy - RJR
Date : 20/12/2021 21:43