Tanora namako ô (ANTSA MIDERA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tanora namako ô, havaozy ny fo
Raha te hiara-dalana amin'i Jesoa
Izy irery ihany no namonjy anao
Hahafahantsika miantso an-dRay hoe : Aba, Ray.

Tanora namako ô, zandrin'i Kristy
Mitsangana, mitrakà, mifalia
Mitodiha amin'ny lalam-baovao
Fa ho dibon-kasambarana tokoa ny fonao.


Fiverenana :
Ndeha hiara-hientana
Hifanome fotoana hiara-dalana
Fa lalana tokana sy toerana iray
Hizorantsika rehetra amin'izay.

Miara-mamindra
Mankany amin'ny Ray
Fifaliana maharitra mandrakizay

Tanora namako ô, zandrin'i Kristy
Mitsangana, mitrakà, mifalia
Mitodiha amin'ny lalam-baovao
Fa ho dibon-kasambarana tokoa ny fonao.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : ANTSA MIDERA
Visites : 1414
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : peter2015
Date : 21/09/2017 09:23
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0991