Mifankatiava (ANTSA MIDERA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Andao hifankatia dieny mbola velona aina
Fa rehefa any am.pasana any ve Vao ho tonga saina
Rehefa Maty anefa, tsy matsiaro ambony ambany
Taolana sisa, ny nofo ho vovotany
Zovy no milaza fa mahavita tena
Ny mahantra ve sa ireo mpanan.karena
Mitovy avokoa na ambony na ambany
Tsy maintsy mody mandry any ambany tany
(Bass)
Mpihavana Miady mivarina any an.kady
Ny olona adala no mifankahala
Ny maizin.tsaina no tsy tia miara-miaina

Koa nahoana moa raha ialana izany
Fa tsy hisy haharitra eto ambony tany
Malama Maina ity tany ity e
Koa tsy aleo ve mifankatia e

(Bass)
Raha tena mpivavaka tsy mifanavakavaka
Samy olombelona tsy aleo ve mifamelona
Tandrovy ny fihavanana ipoiran'ny fiadanana

FA

Ny Tompo no milaza : "mifankatiava ianareo
tahaka ny itiavako anareo"
Nefa isika indray no misary adala
Manentsin-tadiny minia tsy te halala
Manomboka eto an.tany ny paradisa
Raha mifankatia isika tsy misy disadisa
Hiadana tokoa sy ho finaritra
Ka ity tany ity ho tahaka ny lanitra (bis)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : ANTSA MIDERA
Vangy : 1676
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : peter2015
Daty : 21/09/2017 09:35
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.286