TROTRAKA (Antsa an'i Kristy)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Trotraky ny hadalana nangeja ahyTrotraky ny hajambana hatram’ izay
Voafitaky ny rendrarendra sy tara fanoloran-tena
Nanompo anaram-piangonana
Trotraka ny renireny anilan’ny soa
Trotraka nanenjika ahy ’reo zava-tsoa
Noheveriko fa maha-tsara ny rendran-tany izay nambara
Ka mba nitaoman’ireo namako aho
Trotraka, reraka aho
Saingy tsisy mahasolo
Vonona hiverina aho raha raisin’i Jesosy Soa
Ndeha isika hifandray tanana
Aoka izay ireo sandim-pihavanana fo madio no entina hanompo azy
Tsy trotraka ny hijaly mafy ho anao sy ho ahy
Tsy trotraky nisolo vaika ny helokay
Satria tokoa, hoy Ianao, ny zanako sy ny asa- tanako
Dia aoka ho adidiko anie
Tsy trotraky ny hanamafy fitiavana
Tsy trotraky ny hanambara ny hatsarany
Ny fiainana an-danitra any, ho lova soan’izay tia Azy
Sy izay manaja koa ny didiny
O ry mpino namako o mba mifohaza izao
Miandry antsika an-tanan-droa ilay Jeso Fitiavana
Tsy sasatra manambitamby anao
Mila fihavanana avy Aminao
Fa izaho sy ianao mamilafila azy
Fiainan-tsambatra ao tananany
Ho an’ireo izay mety ho eo an-dalany
’zao sy ianao no mampiandry Azy
Saingy izaho sy ianao no te-hampiandry Azy.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Antsa an'i KristyVisites : 7481
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : onitiana79
Date : 19/10/2006 15:33