Manaova ny mety (Antsa an'i Kristy)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsisy tompon'ny ampitso manaova ny metyToerana fandalovana eny ihany ny ety an tany,
Ka nahoana mifandrafirafy lava o!
Sy mifankahala, mety hampalahelo an'i Jesosy Tompo malala,
Manenina anie raha hilaozany eto....
Mba mahaiza mibebaka sy mifandefitra
Izay toetra ratsy azontsika harenina hareno malaky
Fitaka sy soloky fankahalana o!!
Ndao harina izany, f'izay te hibebaka sy hiova dia raisaina ihany
Manenina anie raha hilaozany eto....
Samia miambena isika rehetra
Ho avy tsy hampilaza anie ny Tompo hitsara antsika
Ka tandremo re razoky o!! sao tsy fantany intsony
Nalalaka ny fotoana izay nomeny hisafidianantsika
Ho amin’ny fiainan-tsy hita ve sa ho amin’ny fiaina-mandrakizay
(Sao manenina) Manenina hoy aho raha hilaozany eto…
Manaova ny mety isika rehetra
Ity fiainana an-tany koa mba misy fetra
Araraoty ny tàna-mitsotra sy feo miantso malefaka
Ka dieny izao e!! Manaova ny mety
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Antsa an'i KristyVangy : 4393
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : JKC_legars
Daty : 03/11/2018 23:54