Tohano Mafy (Antsa an'i Kristy)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tazanao fa diso lalana ahoNefa ianao tonga hanitsy ahy
Hitanao nihosom-potaka aho
Kanefa tompo ô ! nodiovinao
Tsapanao fa nilavo lefona aho
Nefa ianao no tonga hampitraka ahy
Hainao fa tena very aho
Kanefa tompo ô ! noraofinao
Tsapanao ny fahatezerako
Nefa ianao tonga hampifaly ahy
Hainao fa saika maty aho
Kanefa tompo ô ! novelominao
Isaorako ny RAY sy ZANAKA
Mbamin’ny FANAHY MASINA
Jesoa tsy tonga hiantso ny marina
Fa hanova ny mpanota hibebaka
Refrain :
Tohano mafy aho
Mba tsy hiova lalana
Ny finoana izay ananako
Mba tsy voasemban-drahona
Mandrakizay
Na mafy ny fitsapana
Mihatra amiko
Ny aina izay sisa ananako
No aza esorina amiko
Mandrakizay
Chœur :
Ny finoana izay hananao
Ny aina izay sisa ato amiko
No aza esorina mandrakizay
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Antsa an'i KristyVisites : 25116
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : admin
Date : 12/10/2002 17:19