Fanahy Tsara (Antsa an'i Kristy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
FANAHY TSARA
Faingana Tompo ô hampiakatra indray ireo voadinao
Koa aza avela hisaraka intsony Aminao ô ôu ô
Ireo zay mino aok’iray saina
Ka tsy hisamatsamaka indray
Fa Aminao ny karazam-piangonana
Fanahy masina ô azavao foana
Ny sainay anavak’ireo tena Anao Tompo ô ôu ô
Mba anehoy fahagagana izahay

Tsara Fanahy tsara, tsara Fanahy tsara
Fanahy tsara eie
Tsara Fanahy tsara, tsara Fanahy tsara
Tsara

Koa anehoy fahagagana indray izahay Tompo ô
Omeo Fanahy iray hampiray ny finoana
Foano faingana Tompo ô
Izay rehetra tsy nambolenao
Ka mombà handalina indray ny sitrakao
Ireo izay mino hanetry tena
Tsy hanava-tena hanilik’ireo mpino Anao ô ôu ô
Mba anehoy fahagagana izahay

Ireo izay mino hanetry tena
Tsy hanava-tena hanilik’ireo mpino hafa ô ôu ô
Ô tompo ô mba anehoy fahagagana izahay

Tsara Fanahy tsara, tsara Fanahy tsara
Fanahy tsara eie
Tsara Fanahy tsara, tsara Fanahy tsara
Fanahy tsara eie
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antsa an'i Kristy
Vangy : 7739
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 21/10/2014 15:40
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113