BETLEHEMA (Antoko Mpihira Hosana Ambohijatovo Fitiavana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
tononkira.serasera.org Anio no andro mamy, sarobidy indrindra
Izay itsenana Anao indray ry ilay Mesia
Ny dianay voavonjy maro sesehena
Hamantana any Betlehema n'i Jodia
Asandratray ny fiderana sy ny saotra,
Atolotray Anao ny voninahitra
Ho mariky ny hafaliana izay miloatra
Avy ao am-po handray Anao mpanavotra

Betlehema (ao aminao)
Betlehema (no hiseho)
Ny fitiavan-dehibe
Betlehema (ho zahako)
Betlehema (hahitako)
Ilay ataoko rehareha

Ao aminao no isehoan'ny famonjena
Sy ny fitiavana izao tontolo izao
Amin'izay tokoa ireo fo izay mosarena
Hahatsiaro dmyvv sambatra hitafy hery vao.
Ao aminao tokoa anio ry Betlehema
No iventsoana indray ny hiran-danitra
Hanako mafy hmub ao ny hoby sy ny vluedsh antema
Handraisanay ilay zanak'Andriamanitra

Betlehema (ao aminao)
Betlehema (no hiseho)
Ny fitiavan-dehibe
Betlehema (ho zahako)
Betlehema (hahitako)
Ilay ataoko rehareha

--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Antoko Mpihira Hosana Ambohijatovo Fitiavana
Visites : 1499
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : VOLAFIHA.
Date : 25/10/2022 19:27
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0355