APETRAKO AMINAO (Antoko Mpihira Hosana Ambohijatovo Fitiavana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Apetrako Eo An-tananao Izao Fiainako eto izao
hifankazarako Aminao,
Na fanaovana io, fikasana koa,
An-tananao no fahombiazako,
Tompo Ô Meteza ! Mampahereza E !
Tafio fahamasinana aho, ho tia fahamarinana,
Hivelona amin’ny fanantenana.

Apetrako eo an-tananao izay rehetra mahakasika ahy
indrindra fa ny ara-panahy,
Sarobidy izy io, tohano sy tariho
hanaraka izay voasoritrao,
Tompo Ô Meteza ! Mampahereza E !
Tsy mahatokan-dalana aho fa ilay tsorakazonao,
Io no heriko mahafa-tahotra ahy.

Ny saina sy hevitrao lalina
dia tsapako anatiko Ao,
Itondranao ahy andro aman’alina,
Misaotra Jesosiko.
Ireo toky omenao tsaroako mampahery ahy,
« izaho tsy ahafoy anao », « izaho no hiady ho anao. »
Hahita fandresena handray loka avy Aminao,
Ho lovaiko Aminao rahatrizay.
Eo an-tananao (eo an-tananao)
Manantena aho (manantena aho)
Fa hamiratra (hamiratra amim-boninahitra)

Apetrako eo an-tananao fa vao tany ambohoka aho
dia efa nanomananao fiainan-tsambatra,
Ho mpanandratra ny Anaranao sy ny voninahitrao,
He ny hatsaranao ! Misaotra indrindra e !
Mpanompo tsy mahasoa nefa vokatry ny fo,
Ho tia Anao, hanoa sy hanaja Anao.

Apetrako eo an-tananao raha tsy maintsy hitondra aho
ny hazo fijalianao,
Efa lalana io, voadiko eto anio,
Iombonako tanteraka Aminao,
Ray sady zoky, nomenao toky aho,
Ny fiaretako hoy Ianao hampodianao tsotra izao
(ho) fiadanana sy fitsaharana.

Ny saina sy hevitrao lalina
dia tsapako anatiko Ao,
Itondranao ahy andro aman’alina,
Misaotra Jesosiko.
Ireo toky omenao tsaroako mampahery ahy,
« izaho tsy ahafoy anao », « izaho no hiady ho anao. »
Hahita fandresena handray loka avy Aminao,
Ho lovaiko Aminao rahatrizay.
Eo an-tananao (eo an-tananao)
Manantena aho (manantena aho)
Fa hamiratra (hamiratra amim-boninahitra)
Hamiratra amim-boninahitra
Hamiratra amim-boninahitra.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antoko Mpihira Hosana Ambohijatovo Fitiavana
Vangy : 264
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : nalliravahatriniarivo
Daty : 03/07/2023 14:16
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0725